Avia (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha sanatria mitady ho rendrika an-dranobe ny sambonao Dia antsao mora am-bitsi-teny, izao tononkalo fohy izao
Avia ianao ry namako,
hisintona ny tanako
fa mitady handifotra ahy
ity ranon’ahiahy
Avia ianao ry poetako
Hanala ny hetahetako
Fa mangetana an-dakana
Ny saiko feno sakana
Avia ianao ry tsy haiko
Hizara izay zakaiko
Fa ilay vatofantsika
Mamahatra mamantsika
Avia ianao tongava
Ny samboko mivava
Tariho aho ho eny amorona
Izaho tsy te ho sorona
Dia rehefa vitanao izany, dia asio tsiky dibo-po
Fa hamonjy anao ho tamy, ny fanahiko sy ny ambiroa
Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy