You are here: home > Vetso

AZA MATAHOTRA - raozigasy

Azo vakiana?

AZA MATAHOTRA

Hafatra ho an'i Nyeja

Aza matahotra ianao
Fa na ny teny nosoratana
Na ny teny nohiraina
Ataoko tsara rakitra ao
K’ireo no entina hanandratana
Ireo kanto vokatry ny saina

Aza matahotra ianao
F’ireny tononkalo ireny
Dia tsara pirina tahiry
Ary arovako fandrao
Ovain’ny andro ny fiteny
Ny antsika ireo tsy ananam-piry

Aza matahotra ianao
Fa ny fitiavako ny teniko
Ny fitiavanao ny tenintsika
No efa ampinga hatramin’izao
Niarovana ireo dia-peniko  
K’ampitso ireo tsy ho nenintsika

Aza matahotra ianao
Raha mbola misy saro-bidy
Dia ny teny malagasy
Ka ny hery izay anatiko ao
Atolotro tsy mila vidy
Ho anao ry “Teny Gasy”

Sokajy : Ahiahy

Hevitra mandeha

vetsoko (03/05/2006 14:37:15)

dia tsy hanan-tahotra tokoa izahay raha izany,misaotra

raozigasy (04/05/2006 19:54:51)

aza matahotra ry vetsoko
aza matahotra ry Vetsoko
fa ny Vetsoko eo ry vetsoko
sy ny Vetsonao ry vetsoko
hiara-hametsovetso ny ho avy
hiaro ny Vetsotsika mianakavy

fiaritiana (05/05/2006 08:47:24)

tsara aky raozy a!!