DIA MIVERINA INDRAY (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia miverina indray irony tifi-bary raraka
Dia tsy mety mihitsy ve raha tsy ny aina no araraka
Dia misahotaka indray, ny vahoakan’iarivo
Dia sanatria indray ve, ka tsak tsak zato, arivo

Dia mihoson-dra indray, ny araben’ny renivohitra
Dia tsy mazava intsony mihitsy, iza no izy sy mpanohitra
Dia tabataba horakoraka, hiakiaka lavareny
Dia ranomaso, ompa, ozona, izany sisa no miteny

Dia ady an-trano sy saritaka, ilay fireneko tsy milamina
Dia korontan-dava izao, mitohy lava tsy an-kijanona
Dia fahoriana, fijaliana, sisa ve ry gasikara
Dia izany sisa ve ry taniko, no hijanona no tantara

Tsy ekeko raha izany, no miseho any an-tanà na
Tsy ekeko raha izany, fa fiainana satana
Tsy ekeko raha izany, fa loza loatra ny habibiana
Tsy ekeko raha izany, fa be ireo ra izay mikoriana

Ka mivavaka aho ry Tompo, miandrandra anao indray
Hampanjakao ny fihavanana, ka ilay fireneko hiray
Hampanjakao ny fahendrena, hiadanan’ny vahoaka
Hampanjakao ny filaminana, ka ts’hisy basy intsony hipoaka

Ireo hambo diso toerana , sy ireo fitiavan-tena
Esory sy ampanalaviro, tsy mety ho an’ny firenena
Ireo valifaty , lolom-po, ireo atambo re fafao
Ireo fisainana lomorina, diovy re raha sitrakao

Dia henoy ry Ray ambony, tsy ny fivavako ihany
Fa koa ny an’ny Malagasy, hafa izay mivavaka any
Ka inoako f’ho tafita, raha tora-po sy tsy miambatra
Izany vavaka atao, iarahanay rehetra mitambatra
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Alahelo - Ady
873 0
Hevitra mandeha
benasy ( 21/04/2009 09:40)
Matokia fa izaho koa hivavaka ho an'ny Malagasy...!
raozigasy ( 21/04/2009 10:56)
Mahereza hatrany benasy a
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0308