FALY (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Faly aho fa hay ka tsy izaho irery
no mahatsiaro anao
Fa izao tontolo izao

Fa ireo namantsika, sy ireo namanao,
Ireo namako aza, mba malahelo anao,

Fa ny manodidina, aza nanontany,
Hoe efa elaela, no tsy hita ianao izany

Ny ao am-piangonana, tsy lazaina intsony
Fa manontany foana, hoe manao ahoana hono,

Ireo havako aza moa, izay tsy mahalala
Manasa antsika foana, hoe tongava ianao sy i Lala

Indrindra ny anabaviko, mahavatra manontany,
Salama tsara ve, manao ahoana izy any ?

Izany rehetra izany, no miharo sy mitambatra,
Manamaivana alahelo, ka mahasambasambatra

Faly aho fa hay , ka tsy izaho irery
No malahelo anao,
Fa izao tontolo izao
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1436 0
Hevitra mandeha
ramalagasy ( 25/11/2006 02:28)
Mampatsiahy ahy ny olona ianao, misaotra e
raozigasy ( 19/12/2006 01:54)
zany ve ramalagasy !!! dia iza hono ilay olona e !!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.026