Fetinao anio ry Taniko (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fetinao anio ry taniko
Ka ny vavako alamiko
Sy atokako ho anao
Amin’izao anio izao

Fetinao anio ry taniko
Ka adinoiko kely ny amiko
Fa ny hatako rehetra
Dia ho anao tsy misy fetra

Mangataka aminao ry Ray
Tahionao ny taninay
Tahionao ity firenena
Izay latsaka an-katerena

Mangataka aminao ry Ray
Mba hampangino kely indray
Ilay adilahy, sy disadisa
Ilay politika mila kisa

Mangataka aminao ry Ray
Jereo ny tanindrazanay
Jereo ny ho avin’ny tanora
Mba hiova moramora

Mangataka aminao ry Ray
Mangataka aminao indray
Jereo Madagasikara
Mba tsy hihomehezan’ny tantara

Izao vavaka izao
Dia iarahanay manao
Amin’ilay vavaka izay
Nampianarinao anay

Rainay izay any an-danitra ...
--------
Rohy:
1416 2
Mpakafy: Zozoro - raozigasy
Hevitra mandeha
Zozoro ( 25/06/2009 18:24)
>
Zozoro ( 25/06/2009 18:57)
Ry Nosy mamiko,
Tiako ianao, tiako ianao, tena tiako inao
Anjara taniko
Tiako ianao, tiako ianao, tiako ianao

Ny zavaboahary jereko
Mitory avokoa
Fa kanto ilay Fireneko
i Gasikarako.

Ny aiko
Ekeko
Fa teo aminao no niaviana
Hafoiko
Omeko
Ho sorona ho anao any ahoriana.
oliviah ( 27/06/2009 10:05)
Mila vavaky ny maro,mba ho lao ireo fahavalo
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0304