Fitia tandrimo (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay endrikao sariaka
Ilay tsiky manjopiaka
Ireo masonao baliaka
Ireo teny mamy apariaka

Ireo fihinao manery
Ireo sefonao mahery
Ireo lefaka fijery
Rehefa isika irery

Ireo langonao malefaka
Ireo halatr’oroka mitefaka
Mahatonga fo hitresaka
An-tsefatsefan-dresaka

Ireo kiti-diso lalana
Ireo safo tsy hita farana
Ireo sangy tsy hay anarana
Ireo fy manarangarana

Ireo no “aza manadino”
Fanainga tsy mampino,
Ainga mampirimo
Ilay fitia ho tandrimo
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1214 1
Mpakafy: raozigasy
Hevitra mandeha
gemaS ( 26/03/2012 08:55)
ra mba azo atao d mb manorata fona fa tena mlay b dol le tononkalo soratanao ry raozigasy a!!msaotra betsaka e!!!
leiz zan ts le te apiady rima reny ftsn fa ten met e!!mlay!!ok
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1535