FOLO TAONA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FOLO TAONA

Folo taona androany izao,
no nandorana anao
Folo taona androany koa,
no nampiondrika ny loha

Fa ilay rova fiandrandra
Inona moa no nitranga ???

Hiakiaka, savoritaka
Ny tanàna nisaritaka
Lel’afo no najemby maso
Na teny Anosy na Ankatso

Nodoroina Anatirova
Ilay harenanao ry Hova
May ilay lapan-dRanavalona
Fa nodoran’ny mpialona

Setroka efa ho zavon-tany
Narahin-tsento sy tomany
No nandrakotra ny lanitra
Tena nampiantso an’Andriamanitra

Iarivo torotoro
Fa ny Lapany voadoro
Tantara maro sarobidy
Indray levona, tsy fidy

May ilay endrikao ry Merina
Tsy tiana mantsy hiteriterina
Ka niezahana haringana
Ka ny tantara hotamingana


Ka ilay rova fiandrandra
Vato sisa mba niranga

Folo taona lasa izay,
Ilay rova re no may
Folo taona aty aoriana,
Ny zava-misy mahavariana...

Paris 24 octobre 2005

Novakiana tao amin'ny FIAP anio 05 novambra 2005 ho fahatsiarovana ny tsingerin-taona nandoran'ny sasany ny Rova
--------
Rohy:
3304 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0309