Hangina hono (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa hofatorana tsy hanoratra, hono ireto rantsan-tanako
Dia hogejaina tsy hamoaka, izay fanahy miranga mba ananako
Dia hofefena aho, horarana, tsy hizara ireo vinaniko
Hodidiana tsy hamboraka, ireo hetaheta izay mba mamiko

Fa hakombona tsy hamoaka feo, koa hono izato vavako
Dia hoterena tsy hampiseho, endri-tsiky koa ny tavako
Hotakonana ny masoko, hamefy izay baliakan-jery
Dia ny sofiko hotampenana, tsy handre ilay teniko irery

Dia ny saiko hodontoina, amin’ny asa mahalanaka
Dia ny lohako hopepoina, ka ny fisaina tsy halalaka
Dia ny foko atao an-keriny, sao mitombo fitempoana
Dia ny vatako vizanina amin’ny asam-panompoana

Dia hoy aho nihomehy anaty, ho vizana ianao ry mpialona
Sa mihetsika hadalana ianao, fa izato tetikao toa lalina
Fa na rojo vy na gadran-tsaina, na teny feno horohoro
Tsy ampy hampangina ahy amin’ny teny tiako hajoro
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1352 1
Fans: Aynah
Commentaires
Soarilala ( 14/01/2011 12:01)
Tsy rariny kosa izany. Samy manana izay tiany atao sy izay fantany fa mety, ary tsy tokony hisy fatotra na fefy hanakana.
Mampalahelo fa fialonana ihany no mahatonga izany!!!
Aynah ( 19/01/2011 22:25)
Aza kivin'ny fialonana,
fa tohizo ny asam-pamoronana,
Ajoroy ny hevitrao,
Ho anay mpankafy anao!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0344