Hay ve (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hay ve mety tankina ity fanahy ity,
rehefa nolalovan'ny tadion'ny fitia
hasafononohana tsy hita voambolana
no manakana azy, mibahana mitohana

Hay ve ka mety very, ny ambiroa indraindray
rehefa salovanin'ny fo mangotraka mahamay
ka very anaty habaky, ny nofy itambarana
ilay tsingevan-teny, be resaka an-daharana

Hay ve ka mety maina, ny rotsaky ny kanto
rehefa tojo olon-droa, mahay mifandranto
ka adinony daholo, ny tontolon'embona
rehefa injay fitia, no maniry sy mitrebona

….

Hay ve ka mety adino, ny tontolo fanoratana
rehefa ny hotraky ny fo, no sendra firongatana
adino vetivety, adino maka bahana
mitondra ainga vao, fitia nahazo vahana

Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1438 0
Hevitra mandeha
Malalason ( 24/05/2014 05:58)
Voaporofo izao fa mahery ny fitia ary tsapa ihany koa fa lehibe indrindra, satria rehefa Izy no miteny sy mibaiko tsy azon'iza lavina ...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0332