HERINANDRO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HERINANDRO


Vao herinandro izao no nahalasananao
Kanefa dia izao ; loza hoy ianao . . .



Fa rehefa maraina, izaho lasa malaina
Ka tsy mampirin-trano, ka izay no tena angano

Fa rehefa misakafo, lasa mividy lafo
Satria kamo hahandro, na alina n’antoandro

Fa rehefa handeha hiasa, zara raha misasa
Dia mitafy tsy mipasoka, na miakanjo vasoka

Fa rehefa mirava, tena kivy lava
Ka dia kamo mody, mamoron-tsodisody

Dia rehefa tonga avy any, lasana vinany
F’eo am-baravarana, ts’isy ilay mangarana

Dia rehefa irery an-trano, dia miala hamohamo
Mihaino ireo mozika, niarahantsika

Dia avy eo mijery sary, ka ny ao am-po maharary
Dia lasa mandry fotsy , ts’isy mpandrotsirotsy

Dia avy eo zara raha matory, fa feno sorisory
Dia miarina indray, dia mitsilailay,



Kanefa vao herinandro izao, no nahalasananao,
Dia kivy ihany aho, raha lasa ho toy izao . . .



Ka rahampitso aho hiezaka, ary tsy hitofezaka
Fa vao maneno akoho, dia hiarina hifoha,

Ka ataoko toy ny hoe : tsy lasana nandeha,
Ianao fa eo ihany, mbola mihanihany

Dia amboariko daholo, ny trano manontolo,
Ny fandriana alamina, ny lovia kobanina,

Ny efitra fafaina, ny fitaratra vohaina,
Ny akanjo izay maloto, tsy avela hisafoto

Dia hiezaka hahandro, sakafo tsy hialon’andro
Sy ara-dalana, ary koa mafana

Dia rehefa avy miasa, dia mody fa tsy lasa
Manitanita-dia, manketsy mankery,

Dia rehefa eo am-pandriana, hivavaka mangina,
Ho an’ny hoavintsika, mba ho lavitra tomika,

Dia ho nofy mamy ny alina, tsy hiasa saina lalina,
Fa matoky hatrany, anao izay lavitra any.



Ataoko ts’isy hahalala, ireo mpankahala
Hoe vao herinandro izao, no nahalasananao



F’ataoko ho hitany aza, hoe izaho anie ka tsy zaza
K’ho kivy ilaozan-dreny, ka lasa hirenireny,

Ataoko tsy hisy hahalala, hoe lasa ianao ry lala
Hoe maharary anie ny foko, ka iny aho hitoloko,

Fa ny tsiky ety ivelany, hampikombona ny lelany,
Ary ny jaliko ao anaty, ataoko hoe izaho mahatanty

Tsy ataoko haharesy, na dia tena misesy,
Ny alahelo anao, fa zakaiko amin’izao

Ka izay maharary, ataoko tsy mibary,
Satria hiombonatsika, ka tsy ataoko hita,

Dia hankahery tena, ary tsy hivena
Ka ny olona tontolo, tena vonoiko lolo,

Ataoko fantatrao , s’ izao tontolo izao,
Hoe ny vatanao no tsy ao , f’ao am-poko ianao,

Ataoko sedra ho ahy, ijoroko ho lehilahy,
Izao manjo antsika izao, ka izaho tsy hitalaho



Gadraiko ho ahy irery , ireo jaly s’ireo fery,
Maharary mamaivay , efa ho herinandro izay
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1274 2
Hevitra mandeha
arajech ( 16/11/2006 09:52)
Tena enjana sy kanto ny asa soratrao
Misaotra anao nizara §
raozigasy ( 19/11/2006 19:49)
Misaotra an'Arajech mankasitraka
njaf ( 11/12/2006 12:17)
efa niainako io soratananao io ka faly aho mamaky azy, dia aza sasatra mandroba ny ao ampoko e
latina ( 23/01/2007 11:32)
hay mijaly be ohatr'izany ny lehilahy rehefa ilaozana? tsara be fa misaotra betsaka
raozigasy ( 29/01/2007 20:49)
o ry Latina a , Tsy hoe mijaly satria ilaozana, fa mijaly satria TIA e ,
Mitantsotia ( 05/04/2013 13:51)
Hay ny lehilahy koa mety tena TIA, tsy dia hita taratra loatra matetika ka mampiasa saina indraindray, fa na atao aza izao sy zao anaporofoana lay hoe "tiako ianao" toa maimaina foana.
Mampijaly mints aza indraindray ny misaina izany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.026