HIADY AN-TRANO VE ISIKA (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIADY AN-TRANO

Hiady an-trano ve isika
Raha tsy mitovy politika
Hifandavo tsy hifanarina
Tahaka ny valala an-karona

Hiady an-trano ve ny gasy
Hifampitifitra amin ny basy
Nefa mpiray firenena
Sao dia tokony hihevi-tena

Hiady an-trano ve ny Merina
Raha ny mpitondra no heverina
Ka hifamono sy hifandritaka
Dia ny vahoaka no voafitaka

Hiady an-trano ve Iarivo
Ka poa-basy no handrivo
Hajininika ve ny rà 
Vokatr’ity adilahy

Aoka re f’efa tsy rariny
Ireto adilava sy ny tariny
Fitiavan-tseza hotompoina
No antony hifamonoana

Dia aiza ilay fihavanana
Izay nirina mba hotanana
Ilay nampiavaka antsika
Hoe Gasy fa tsy Afrika
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana - Alahelo - Aingam-panahy - Ady
1019 1
Fans: Zozoro
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0316