Hifampizatra sa hifampanantena ? (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa lasa zatra lava izao, mandray ny soratananao,
Efa zatra mihitsy aza, mahazo teny avy aminao
Tena zatra , zatra foana, hoe hamaky anao indray
Za-dratsy aza moa ny farany, ka isan’andro dia maimay

Nozarinao ve moa no antony ? sa nampazatra tena koa ?
Sa nozarin-dRafahazarana ? ka tsy nampiasa loha sy fo ?

Manantena aho isan’andro, hoe hisy hafatrao ho tonga
Manantenantena lava, hoe hisy teny misomonga
Manantena foana foana, hoe nanoratra ianao
Ka ilay fanantenana mihaadala noho ianao

Nampanantenaina ve ? na nanantena fahatany ?
Sa moa ilay Ramanantena , no mampiandry anao izany ?

Tsy haiko intsony lahy izay marina, tsy hitako izay ambara
Fa isan’andro vaky izao, miandry anao hanohy tantara
Ka zatrazatra manantena, manantena fahazarana
Hoe ity soratsika ity, hitohy hatrany tsy hifarana
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
619 0
Commentaires
efizzay ( 10/08/2010 21:28)
veloma hono antsoiny
raozigasy ( 11/08/2010 00:39)
mandram-pihaona hozizy kah !!!
Soarilala ( 27/08/2010 16:20)
Ka ilay fahazarana ary ve no nahatonga hanantena sa ny fanantenana no lasa nahazatra !!!!!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0322