Hisy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hisy sarinao
hataoko tsara jery
Ka hampiteny irery

Hisy tsikinao
Tiako ahoso-doko
Ka hanaitra ny foko

Hisy feonao
Hameno ny alim-potsiko
Sady arotsirotsiko

Hisy masonao
Banjiniko maharitra
Tsy tantiko sy tsy aritra

Hisy bikanao
Hoforonin-tsaina
Tsy hay hoe tantaraina

Hisy hanitrao
Hanento manadala
Tsy mana-tsahala

Misy rediredy mamorona anao ry olona tsy misy
Misy sarisary tiako hoe ianao, ry kanto izay nidify
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
817 1
Mpakafy: raozigasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742