Ianao tsy ho irery (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy haiko ny mamorona, ary koa mandahatra ny tantaranaotsy haiko akory aza, ireo nofinofy, sy vina tiana atao
tsy haiko ny ampitso, tianao hizorana, ka tsy azoko soratana
tsy haiko ny tanjonao, hoe aiza no mitsinjo, aiza no mamantana
fa ny azoko atao, dia ny mitondra tsiky, handravandravaka azy
ampiana sangin-teny, sy lalao ireny dia laroina vazivazy
hanatsara loko, ny lala-nofinidy, tianao atrehina
hanaingo dia azy, amin'ny rotoroto, sy hazaka an-kamehina
fa ny haiko dia ny hoe : namana ianao, mpinamana isika
ka fihavana-mamy, sy fifanoloran-tanana, no teny tiako adika
raha toa ny tsikin-teniko, no manome aina kely, sy sombintsombin-kery
dia zaraiko amin'ny fo, aparitako am-pitiavana, amin'izay ianao tsy ho irery
--------
Rohy:
Sokajy :
Namana - Aingam-panahy