Ilay ainga very ka tonga indray (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asavovon’ny vinany, hitokan-toerana miarakaIreo ambiroa lasadasana, sy fanahy miraradraraka
Avorivorim-betso lalina, hiangonangona, hitangorona
Ireo embon-ditsok’ainga, verivery lasam-borona
Dia namoronany anarana sy loha-teny izany ainga
Ho fodiam-bentin-dranon-tsaka, izay nivadika ho bainga
Dia natsangany ho saina, ireo fehezana litera
Nataony amboara avo lenta, ho zaraina an-tenimiera
Dia nabosesiny hibasasaka, hameno izato noanoa
Ho rindran-teny feno rima, hilamina tsy hikitoa
Ho zaran-tranga, sy traik’efa, setrin’ainga mamololona
Ka havadika ho tononkalo, apariaka imason’olona
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy