Indraindray koa … (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny foko izany tsy haiko, toa mangorangoranasa ilay tselatselatra, miampy rotsak'orana ?
Ny saiko izany kivy, toa tsy mahatombina
sa ilay malok'andro no mampanjombonjombona ?
Ny aiko izany reraka, toa tena valabalaka
sa ilay volon-davenona lokon'ny habakabaka ?
Ny anatiko toa tsy haiko, fa feno fahabangana
sa ilay hira no mamelona embona an-tanàna ?
Ny lohako mavesatra, hitako badenina
sa ilay tantara lasa no mampitsako nenina ?
Ny vatako domelina, toa vavony noana
sa ve manimanina, ireo tsiahy nimoana
Ny tenako toa kivy , feno fahontsana
ilay ranomaso io fa mila tsy ho tana
sssss, aleo koa amin'izao , indraindray koa mba kivy
indraindray voasary mamy, indraindray koa mba marikivy
Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy