Inona no masaka ? (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inona ary no sakafo, amin’ity krismasy ?Sa inona no lokom-pety, miandry antsika Malagasy ?
Savovon-doto, vohi-pako,
Lali-manga re manako
Tanàna rako-joridira
Voalavo mandihy sy mihira
Aretina efa lany daty
No ireo indray mirantiranty
Amin’izao taon-jato izao
Mampiaiky volana anao
Hogahoga politika
Embouteillage mampivika
Endaka sy hala-botry
Paosy maina gotrigotry
Izay no fiainana isan’andro
Masaka tsara nahandro
Noketrehin’ny mpitantana
Arosony eo avara-patana
Izay no masaka efa ela, ho antsika Malagasy
Nandrahoina efa-taona, ka sahaza ity krismasy
--------
Rohy:
Sokajy :
Politika