Irery 9 (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Irery miady saina
Ka miferitr’aina
Fitanisana olana
No mameno ny voambolana

Irery vaky loha
Mikatsaka ny soa
Tsy misy mba manoro
Ka ny fo torotoro

Irery tojo olana
Ts’isy mba misolana
Na olona iray
Hizara izany vay
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
917 1
Mpakafy: raozigasy
Hevitra mandeha
Soarilala ( 13/11/2011 10:23)
Tena mafy ny irery
Rehefa zatra miara-droa
Toa mampi-teny irery
Sady mahavaky loha

Indrindra rehefa tojo olana
Izay saro-bahana
Ka mampitonatonana
Sady mampihanahana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0318