Izahay tsofy rano (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izahay tsofy rano fa aleo hihafy
Hila ravin’ahitra any an-dafy
Raha hifanabe tarehy sy hifandrafy
Aleonay misintaka miova tafy
Izahay tsy matahotra miasa mafy
“Lasa izao” raha tsy tena hoe voagafy

Izahay aleo hisidina hiova loko
Fa mbola tanora tsy te hanjoko
Amin’ity fahantrana mampitakoko
Any hono miasa an-tsokosoko
Manadio tranon’ireo Radoko
Na mikarama mandokondoko

Izahay aleo hiasa fa leo krizy
Na dia hitaiza antitra sy ankizy
Aleo mba hikarama amin’ny devizy
Iny matanjaka izay tsy izy
Dia veloma any amin’ny lehibe any hozizy
Fa efa nihaona izahay sy ny ankizy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
880 0
Hevitra mandeha
vony501 ( 22/05/2013 06:30)
Aleo ianareo ary ho tsofin-drano
Tsy hahita loza, tsy hahita angano
Hahita tokoa izay ho tadiavina
Hisosa mora, tsy misy hitazona

Dia "aza mirobaroba ianao Raly"
Sao andevolahy mahita fotsim-bary
Mahaiza manangona sy mihafy
Dia mba tsipazo reo tsisy pasy
raozigasy ( 22/05/2013 10:27)
misaotra ee
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.104