Izay no vita ny tantara (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izay no vita ny tantara
Tsy natao antsika ilay anjara
Tsy hitako izay ambara
Aleo ho rava raha tsy tsara

Izay no vita ny tantara
Ratsiratsy ilay fiafara
Kanefa atao ahoana moa
Izao no sahaza antsika roa

Tsy hanontany tena intsony
Hoe tsy hitempo ho ahy ny fony
F’izay ny lalana finidiny
Izaho no mizaka ny safidiny

Satriko ho tsy nisy iny
Fitia tam-boalohany iny
Satriko ho tsy nisy isika
Fa ny foko izao mikiaka

Zakaiko anefa raha anjara
Raha izay no lalan’ny tantara
Ny tomany lasa tsy anenenana
Ataoko hoe saonam-pandevenana

Ka ho an’ny ampitso
Tsy ho lavaka mangitso
No omeko izato foko
Fa traka , tsiky tsara loko
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
982 1
Mpakafy: raozigasy
Hevitra mandeha
tiarah ( 26/07/2010 05:51)
Ny foko nefa manantena
Fa indray andro isika mbola hifanena
raozigasy ( 26/07/2010 10:52)
na ny tao anatiko aza,
naniry toy izany koa
nefa raha tsy sahaza
aoka izay ny antsika roa
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1162