Karemy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala o !

Toneo kely aloha anio,
...Ilay afom-batanao mireda
Anio ilay daty tadidio
Tsy hahafahanao mibeda

Manomboka anio indray
Ilay fefintsika no ajoro
Ilay folo andro mahamay
Ilay hainao fa tsy atoro

Mihafy kely vetivety
Mipetrapetraka milamina
Rehefa afaka mitohy ny fety
Isika hiara-mihinan-kanina

Fa ny anio, karemy aloha
Aleo kajiana ny fotoana
Sao miasa indray ny loha
Raha tsy tonga ny fotoana
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1031 0
Hevitra mandeha
jiolah ( 23/11/2010 13:25)
hahaha tena mahalatsaka.Aleo tohizako kely:
tsy afaka ny hiafy aho ry malala fa tena kere
andraso kely ho any an-tsena hividy fimailo bedebe
le programan'asa efa tena maty paika
ka ny tsy handrapaka mety hampikaikaika

Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0481