Kisendrasendra … tahak’izay (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kisendrasendra mamy
Mety hoe fahatany
Ilay seranao nandalo
Omaly tamin’ny valo

Kisendrasendra anefa
Ilay tsikinao niantefa
Nanojo izany masoko
Ka maina ilay andrasoko

Kisendrasendra koa
Ilay isika olon-droa
Tsy mifankahalala
Nefa tsy te hidify hiala

Kisendrasendra iny
Nefa nitondra tsiny
Sy nenina tafara
Hoe tahak’izay tantara
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
772 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1227