langilangy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tononkalo ny ahy no mba langilangy
Mitoraka anefa tsy mahadangy
Entiko mikiaka an-katezerana
Ireo haratsiana tsy haiko ferana

Tononkalo no fitaovana mba fiadiako
Amin’ny ratsy sy rikoriko
Mahamenatra sy manala Baraka
Fa efa homamiadana lalim-paka

Tononkalo no ataoko tifi-bariraraka
Ka mitaona anareo re ndao mba hanaraka
Na hikiaka fotsiny am-pehezan-teny
Hitatatata eny rehetra eny

Fa loza loatra re ity manjo
Ataon’ity sarisarina filoha
Efa diso nefa mbola midingin-drambo
Ka andao rey olona hatao haza lambo
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
878 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.031