Mandroso ny taona (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandroso ny taona, mandroso ny taonaNefa hatramin’izao , mbola tsy tafahoana
Amin’ilay zatovo, mirija, bikàna
Ilay nandrandraiko, hifanenana mazàna
Mandroso ny taona, mandroso ny taona
Nefa hatramin’izao aho mbola tokana foana
Ny trano milamina, ny asa tsy olana
Fa ny tena tsy tanty ilay irery misolana
Mandroso ny taona, mandroso ny taona
Ny diary efa feno, ny efa-polo taona
ny mpandimby nirina, tsy misy mpametraka
ka ny tena toa kivy, ny saina koa ketraka
Mandroso ny taona, mandroso ny taona
Ka ny hany hery angamba raha tsy te hisaona
Dia mijery tanora, dia manaotao foana
Dieny mbola matoy, sy mbola tsara fotoana
Mandroso ny taona, mandroso ny taona
Aza ihomehezanao, raha toa ka mitsaona
Fa izay rehetra teo, tsy nisy tamana
Basin’ariary fito, hono ianao ry madama
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Hevitra mandeha
hery
(
23/07/2013 14:26)
Tiako ilay hoe "Mandroso ny taona, mandroso ny taona" dia nosoratako ato . http://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/madimozely-antitra