Manina (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ianao ry Gasikara
any ianao ry fireneko
Lavitra aho ka manambara
fa manina ny fireneko

Malahelo anao ry nosiko
malahelo anao ry nofiko

Na ny mangan-dranomasina
na ny lokon-tany mena
aty ampitan-dranomasina
toa mbola satriko jerena

Ny fiainanao ilay moramora
sy tsy maika lalandava
aty izany manakora
ity fiainana hazakaza-dava

Hatramin'ny tsiron-kaninao
dia alaheloko tokoa
te-hihinana aho izao sy izao
eny hatramin'ny sosoa

Na ny andon'ny maraina
na ny masoandro mody
ny hafananao, na mingaina
mampamanina te-hody

Irony lantolanton-kira
irony tsiky sy hanihany
izaho izao ilay an-dakira
tsy mba miaina mihitsy izany

Ny zava-maitso sy ny ala
ny renirano mikoriana
mila hahalasa adala
raha mieritreritra mangina

Nefa moa moa ry Dago ahoana
ianao any izaho aty
tsy afaka na dia hihaona
k'aleo manoratra fitia

Malahelo anao ry Nosiko
Malahelo anao ry Nofiko

Veloma ianao ry Gasikara
Veloma ianao ry Fireneko
Lavitra aho ka manambara
fa manina ny Fireneko

Clichy 09/04/2003
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Tanindrazana
2800 1
Mpakafy: raozigasy
Hevitra mandeha
raozigasy ( 08/06/2004 01:15)
Misy dikan-teny malalaka nosoratako tamin'ny fiteny frantsay ary nampitondraiko ny loha-teny hoe : NOSTALGIE
NyKanto ( 08/06/2004 08:38)
Zara hetran'ny rehetra
Lavi-tany nihaviana
ny hanina toriana.

Haiku malagasy io .

Ny Kanto.



Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0326