You are here: home > Vetso

Menatra aho ry taniko - raozigasy

Azo vakiana?

Menatra aho ry taniko

Menatra aho ry taniko
raha ny hafa no indramiko
mba hisolantsolana
hitady vahaolana
ho an ny firenena
izay vao hoe ekena

Menatra aho ry taniko
raha ny hafa no indramiko
handamina ny fiainako
hanazava ny fisainako
hikatsaka izay tsara
ho an'i gasikara

menatra aho ry taniko
raha ny hafa no indramiko
handravona ireo disa
handrindra koa ireo kisa
k'izao tontolo izao
hitangorona aminao

menatra aho ry taniko
raha ny hafa no indramiko
hiezaka hampangina
ireo hambo be kirina
ireo ts'isy fiheverana
fa te ho fanaperana

menatra aho ry taniko
raha ny hafa no indramiko
dieny izao sahady
hampangina ny ady
satria ts'isy fahendrena
ny mpitondra firenena

menatra aho ry taniko
raha ny hafa no indramiko
hanasa sy hanadio
ireo fakoko anio
ireo lomotra tsikokoko
sy fisaina malotoko

menatra aho ry taniko
satria ireo hafa indramiko
no avy eo hanjanaka ahy
sy hiseho ho sahy
hampiasa teny baiko
ka tena tsy ilaiko

menatra aho ry taniko
dia lasa ny vinaniko
hoe hatramin'ny rahoviana
izato fijaliana
sy endrim-panjanahana
no hijanona hibahana















Hevitra mandeha

Zozoro (23/04/2009 18:20:32)

Miombona ady, alahelo, ahiahy aminao aho...Misaotra nanambara ny zava-misy, dia izao tokoa ve no isika?...

raozigasy (24/04/2009 00:07:42)

menatra aho...

benasy (24/04/2009 09:28:00)

Eny ho'aho ra-Malagasy;
Malagasy be fivoarana
Tsara haingo, tsara tafy
Tsra sampy, tsara anarana..
Izato fihetsiketsikao e!
Izato fomba amam-piteny.... !
...Ianao no tena Malagasy fa tsy ireny Ntaolo ireny...

raozigasy (27/04/2009 17:56:09)

Menatra aho RaMalagasy ...