You are here: home > Vetso

Misy kasikasika - raozigasy

Azo vakiana?

Ho setrin'ny tononkalon'i Dafy Noely hoe Misy

Misy kasikasika, misy safosafo
atosiky ny orana, miraraka ao an-tafo
Misy tohotohoka, misy fihimpihina
asesiky ny feon'ny tadim-pitia kitihina

Misy langolango, misy tambitamby
atakalokalo, an-java izay somamby
misy angolangola, misy dongidongy
vaitra naka vaika nasolo longilongy

Misy fikipikitra, misy tsapatsapa, 
ao anaty haizina, nefa tsy miraparapa
misy rotsa-tafy, misy latsa-jaika
mikorotsaka miadana, tsy misy mahamaika 

Misy fànafàna, izay misongasonga
sangisangin-teny, misomongamonga
Misy hotrakotraka, miharo batabata
misy ladilady, toy ny any anaty akata

...

Misy lokiloky,
feno tokitoky
sangy ataony an-droky,
rehefa vokivoky

Raozigasy