You are here: home > Vetso

MIVAVAHA - raozigasy

Azo vakiana?

MIVAVAHA

Maro ny korontana
Manaitra sy mampiontana
Ny fo amam-panahy,
Sady mampanahy

Maro ny hotakotaka
Horaka sy rotaka
Etsy sy eroa
Mankarary an-doha

Maro ny kotaba
Arahin-tabataba
Tsy mandry re ny tany
An-tanindrazako any

Maro ny herisetra
Tsy voafehy sy tsy voafetra
Mampitaintaina
Sy mampiferitr’aina

Izany rehetra izany
No mitranga any
Ka mampiasa ny saina
Ny Vavakao ilaina



Sokajy : Ahiahy, Tanindrazana

Hevitra mandeha

dahuily (26/03/2009 19:32:06)

Marina tokoa ny anao e !!!MISAOTRA

raozigasy (28/03/2009 23:09:55)

Marina dia misaotra dia mivavaha e