Molotro, molotrao (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Molotro, molotrao,
Nifanena ka injao,
Nampitsangana ny voloko
Sy ny horitsin’ny tontoloko

Molotro, molotrao,
Nifanoroka an-dalao
Ka nanadinoiko ny fisiana
Nanosatosa-paniriana

Molotro,molotrao
Takalo, atero ka alao,
Molotra, natambatambatra,
Mitondra fy kisambatsambatra

Molotro, molotrao,
Nifanoho-bava, milalao
Nifampizara kindrindriana
Tsirontsirom-pifaliana

Molotro, molotrao,
Tsy matahotra ilay “sao”
Santatsantatra filàna
Mitondratondra hafanana

Molotro,molotrao
Oroka tsy mankalao
Fa tontolo mihavao
Isan’andro lava izao
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1158 1
Mpakafy: scotlandyard
Hevitra mandeha
kiriah ( 15/05/2011 18:46)
Tsy sanatria akory hoe manakina fa mpanaraka ny tonokalonao fona zah hatramin izay , ary tsy azo lavina fa tena manan-talenta tokoa ianao , saingy tiko kokoa ireo tonokalo teo aloha ,...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 15/05/2011 11:28
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0318