Nankaiza ianao Rangahy Poeta (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nankaiza ianao Rangahy PoetaNo kaokam-betsovetso sisa
Sy sentosento lany visa
No asetrinao ireto hetaheta
Nankaiza ianao Rampanakanto
Fa ilay tambin-teninao mpanentana
Lasa rivo-maina mampangetana
Ka valan-kalo no voaranto
Nefa ianao toa eny ihany
Lasalasana vinany
Lasam-borona any ho any
Ka betsaka ny manontany
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy