Niandry faty (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ho setrin'ny tononkalon'i kiriah hoe Gaga aho

Ilay faty izay nandrasany ? ambarako aminao
Tsy tena faty akory, fa faty kilalao
Faty noforonina hivoahana ny trano,
Razana tsy misy , fa arira sy angano

Fa ny tena marina, izay no lainga masiny
Entiny hanamarina, ilay kabary ts’isy sasiny
Fa izy te hivoaka, hanitanita-dia,
Fa nihanatsatso taminy ilay tsiron’ny fitia

Tsy lany tsiro akory, fa ny sirany no tsy ampy,
Ka izay no hevi-petsiny, any an-kafa hoe manampy
Dia lasa kely izy, nidila naka saina
Fa hiverina eo izy , rehefa maraindraina
--------
Rohy:
1258 3
Hevitra mandeha
Mitantsotia ( 05/04/2013 11:56)
Aza mba sendran'izany ihany :(

Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0324