Nivadika (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nivadika ho teny maina, ireo arirarirantsika,
Nivadika ho kabary moana, ireo angano vitantsika
Ka ireo lalana niraisana, ireo fitiava-nozinara
No niaraka nisintaka, f’efa rava ny tantara

Kanefa anie ireo teny maina, no navadiko ho antema
Ary ireo kabary moana, nataoko tsantam-panekena
Ka namoronako an-kalo, ireo ngidim-pisarahana,
Ho litanian’ny tantara, vazo sisam-piarahana
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1076 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 10/08/2010 07:34)
Rah'toa ka ho foana ny andro lasa
Moa ve ny hira hangina am'izay?
Zavatra maivana angamba ny asa?
Asa! fa mamy izy aloha hatrizay
Nefa rah'toa ka mikiry ianao
Aza mihevitra intsony ny foko
Miheritrereta rah'toa ka handao
Any amin'ny toeran'ny HIRA miloko.
zavotany09 ( 11/08/2010 15:41)
TSY HO RESY

Fa fo ngolingoly, trotram-pitiavana
no tsy maintsy hikalo, hiezaka hanadino
fa ireo lasana rehetra, mety ve ho Avana
ho maro lokom-pifaliana, asa...tsy mampino

'reo teny mamy rehetra, izay mba nifanolorana
nampisinda ny taraina, dia ho ako ve no sisa
tsy te-hino aho kanefa, satriko eny vorona
hitady toera-kafa, izay mba mety ho paradisa

fa hafaitra ny ampitso, hitadiavam-panafody
saingy làlana hizorana, ho an'izay nitia
fa na marary aza ny fo, hangina tsy hiantso tody
ho ngolingoly izy anio, ny ho faty sanatria
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0308