Noely hono, (raozigasy)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noely hono fifaliana, nefa izaho lavitr’olon-tiana
Noely hono ka fitiavana, nefa izaho aty lavi-kavana
Noely hono hoe ka fety, nefa ny fiainako tsy mety
Noely hono ka noely, ny ahy tsy miova velively

Dia ahoana ary ity noeliko, aiza hono izay tanteliko ?
Ny olona etsy sy eroa, miaina noely avokoa
izao tontolo izao mifaly, nefa ny ao anatiko mijaly
izao tontolo izao korana, nefa ny foko mangotàna

dia ahoana ity noeliko , aiza I dadabenoeliko ?
raha mba teto izy anio, nitondra rivotra hanadio
ireo setro-piainana malotoko, ireo disadisa izay natokoko
ireo kilalao hampitsiky, k’izaho anio tsy hitokiky

dia ahoana ity noeliko, toa mangidy ka tsy teliko
fa noely mamanala, mila hampahalasa adala
noely kivy , noelin-dresy, noho ireo sedra nifanesy
noely anarana tononina, noely ho an’ny mpiara-monina

noely fotsiny an-diary, noelin’ireo tsy mba marary
noelin’ireo milamin-tsaina, sy ireo lavitra taraina
noelin’ireo lavitr’olana, ka tsy mihafa milanonana
noely tsy natao ho ahy, noely hono, asa lahy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
4296 2
Mpakafy: Lurissadr - MandresyLova
Hevitra mandeha
maeva74 ( 28/12/2009 15:29)
Izany ve ilay noelinao sa re aingam-panahy fotsiny e!
ratoto ( 29/12/2009 23:58)
Noely tsy honohono

Ny Noely anie ka fifaliana, hanadinoina ny hakivina!
Ny Noely anie ka fitiavana, izay zaraina amin'ny namana!
Ny Noely anie ka tena fety, hanatsaraina ireo tsy mety!
Ny Noely anie ka noely, fa tsy rediredy velively!

Ny noelinao anie, ka ao anatin'ny fonao
Ny tantelinao anie, ka tsy ankoditra na amolotra
Miaraha mifaly amin'ireo mifaly
Miraisa lanonana amin'ny ankohonana!

Dia izay ilay noely, tsy ilaina dadabe noely!
Tsy ho avy mihitsy izy io, fa toy ny rivotra, tadio!
Atsanga tsy aman'orana, angano, arira noforonina!
Tsy kilalao ihany akory no afaka hampitsiky,ireto nify!

Dia izay ilay noely, na mangidy aza telina!
Satria fahatsiarovana an'ilay Mpamonjy tonga nofo
Nanaisotra ny jaly,namaha ireo fangejana
Tsy ho noely fe noely fa ho noelimpandresena!

Tsy ho noely fotsiny an-diary, fa noely tsy manavaka
Ka na salama na marary de aoka isika mba hivavaka
Iandrandra ilay Tsitoha,loharanom-pahasambarana
Io no aoka ho noelinao, ilay noely tena noely!

Taratriniaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 24/12/2009 21:11
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0332