NOEZAHIKO (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noezahiko fikirana ao an-tratra tsy hozaraiko
Ny alaheloko anao
Kanefa mafy loatra re, sy tsy tanty sombinaiko,
K’izao aborako izao

Noezahiko notanana, tsy hanehoana fahalemena
Ny jalijaly izay iainako
Kanefa mafy loatra re , ka tsy resiko resena
Ka farany dia itarainako

Noezahiko fihinina, hofefena tsy hitsoaka
Ny sento lalin’ito foko
Kanefa nahery setra loatra, ny fibosesiny nivoaka
Ka farany aho dia nitoloko

Noezahiko nantsoina, ny hasambaram-be rehetra
Niarahako sy ianao
Kanefa ny tambabe nataony, tsy nampiraika izato tsetra
K’ivalozako aminao

Noezahiko natao, ny hanadino vetivety
Ny fiainako sy ianao
Nefa ny ezako rehetra, tsisy izay iray mba nety
Satria Tiako loatra Ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1228 0
Hevitra mandeha
jantina ( 22/11/2006 14:47)
Misaotra fa tena tsara ny asasoratrao sady mandeha be zany aingam-panahy izany tato ho ato fa lasa malahelo koa nefa mamaky azy . Antenaina fa hiposaka indray ny masoandro rehefa lasa ny rahona dia hamelana tsara ny raozy
ramalagasy ( 25/11/2006 02:27)
Miombon-kevitra amin'i Jantina aho. Fa izao e, voninkazo tsara indrindra ny raozy ka tsy hahazo ny anjarany foana e
raozigasy ( 26/11/2006 00:39)
Misaotra an-dRamalagasy sy Jantina e !
pissoa ( 21/12/2006 05:05)
Efa niposaka angamba ny masoandro fa efa 1 volana izao no tapitra ilay tononkalo [i]alahelo[/i] ry Raozy !

Misaotra fa mahafinaritra ny mamaky ny soratrao. Dia mirary soa hatrany.

Pissoa
katiaa ( 24/02/2007 22:56)
kayyy nalahelo kou ary za nahita an ty snif snif
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 21/11/2006 23:24
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0323