You are here: home > Vetso

NY AMPITSO - raozigasy

Azo vakiana?

Ho setrin'ny tononkalon'i Hery hoe NY AMPITSO

Omaly isika olon-droa

Samy nanana ny lalany
Samy nanana ny tanjony
Nanana izay fahazarany
Nanana izay fibanjiny

Androany isika olon-droa

Nefa roa mitokan-dalana
Sady roa mitovy tanjona
Minia mitovy fahazarana
Miezaka hitovy banjina

Rahampitso isika hitombo

Tsy ho roa intsony fa hihena
Satria ny voady izay hekena
No hampitambatra ho iray
Ireo roa hatramin’izay

Rahafakampitso hanao ahoana ?

Ilay roa nanjary iray
Hihena sa hitombo indray ?
Ny kajikajy atao manaraka
Dia fampitomboina ny taranaka  

....

Hevitra mandeha

hery (31/07/2006 07:38:59)

7 lahy 7 vavy :-)

Hametraka hevitra

Midira aloha