You are here: home > Vetso

Ny soratrao no taratra - raozigasy

Azo vakiana?

Ho setrin'ny tononkalon'i Skual manao hoe "Ny soratra mpanoratra"

Ny soratrao no taratra,
manao tamberin-jery
Mamboraka ireo hafatra,
nafeninao irery

ny soratrao no ako
miverina mihoraka
milaza an-damako
ireo gejanao hiboraka

ny soratrao tadio
miriotra manamafy
ireo tsimoky ny anio
tambin’ny nafafy

ny soratrao no nofy
herim-paniriana
manamaivan-drofy
ireo olana tsy tiana

ny soratrao no soratra
mametraka tantara
mandrakitra an’holatra
sary hoan’ny ao afara