Omeo ahy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Omeo ahy ho lesona , ny fahaiza-mahatoky
Hahaizako mifikitra, manara-dia Anao
Omeo ahy ho anatra , ny teny mahavoky
Hahazoako manantena, isan’andro izao

Omeo ahy ho taiza , ny tolo-pahendrena
Hahafahako manomboka, fiainana vaovao
Omeo ahy ho kolo, ny didim-panekena
Hanohizako ny hoaviko, miaraka Aminao

Omeo ahy ho hery, ny finoana Anao
Hanadinoako anio, ny sedra izay mandemy
Omeo ahy ho aina, ny fitiavanao
Hamoizako ireo ota, sy zava-dratsy ireny

Fa Ianao ihany Tompo, no azoko hamaharana
Satria Aminao, ny fiainana no hifarana
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana - Aingam-panahy
1491 2
Mpakafy: raozigasy - felitchita
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0371