Omeo « j'aime » (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny laoka may, ny vary mohaka
vilia, vilany tsy misasa
ny ambin-kanina mihohoka
FACEBOOK no lahasa

Ny efitrano tsy mivoha,
ny fandriana tsy milamina
tsy misy raha iasan'ny loha
fa am-pinday mihaminkamina

Ny torimaso ts'isy vanona
fa natakalo kilalao
ny FACEBOOK tsy ajanona
fa mamibe tsy maintsy atao

Ny asa rehetra mahazo miandry
ny birao , ny taratasy
adino ny mitsena zandry
fa FACEBOOK no latasy

Ny tafy an-kodi-tsy misolo
ny sarita-bolo tsy voabango
anefa dia mamono lolo
am-pACEBOOK feno lango

Raha toa ianao tahak'io
voasokajy sy voalaza
dia iangaviako ianao anio
eo mba omeo « j'aime » aza

Raozigasy
--------
Rohy:
1320 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0328