RAHA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA

Raha mikoriana mitsontsorika, manorika ny tavako
Ilay ranomaso adala,
Tsy midika akory izany, fa resin’ny fiainana aho
Raha nilaozanao malala

Raha malomaloka ny endriko, sy maina kina, izato molotro,
K’izaho zary nilaozan-teny
Tsy fahareseko akory izany, fa trangan-javatra eto an-tany
Mpanjo ny olona ireny,

Raha valabalaka ny jeriko, noho ny torimaso tsy ampy,
Sy ny sisa sy ny sisa
Tsy hilofika aho satria, raha izay fahorian’ny tany
Tsy ho ary voatanisa

Ekeko hoe ketraka aho androany, noho ny sedra izay tsy zaka
S’ity zioga mitambesatra
Ka nozaraiko an-teny izany, hamoahako izay bahan-tratra
Hanamaivana ny vesatra
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Alahelo
1181 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0329