REHEFA INY LASA IANAO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA INY LASA IANAO

Misy tsindrona maharary ao anaty foko ao
misy jaly te hivoaka , ao anaty vatako ao
misy kiaka te hitroatra , te handa ny zava-misy
misy feo tsy te hanaiky, hoe ekeo aloha f'izao no "hisy"

rehefa iny lasa ianao

Misy alahelo mitambesatra, ary koa fanahy rotika
misy aina feno fery, ary misy saina potika
misy hovitra lohalika, misy vay , misy hirifiry
misy sedra feno setra, zary homamiadana maniry

rehefa iny isika hifandao

Saingy haiko fa ts'izaho irery, no mizaka izany jaly
haiko fa ianao koa any lavi-tsiky lavi-paly
te handrotsa-dranomaso, ireto fo manganohano
nefa izao no ataoko antsika, fihino mafy ary tano . . .

tsy ho ela dia hihaona indray

Tsapako ao anatiko ao, alahelo fahabangana,
toy ireo tranga anatinao, fo torovana sy ana
ikambanantsika ireo, Fitiavana daholo izany
fato-matin'ny Fitia, sedra izay handalo ihany

Tsy ho ela isika dia ho Iray
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Alahelo
1767 1
Mpakafy: rabiazazotoavina
Hevitra mandeha
Malalason ( 17/04/2007 08:27)
Saingy haiko fa ts'izaho irery, no mizaka izany jaly
haiko fa ianao koa any lavi-tsiky lavi-paly
te handrotsa-dranomaso, ireto fo manganohano
nefa izao no ataoko antsika, fihino mafy ary tano . . .

tsy ho ela dia hihaona indray
...

miala tsiny aho raha manoratra ity

Efa niainako io tonokalonao io, ary efa nisaina ihany koa aho hoe tsy izaho irery no mijaly toy izany, ka ninia nitana mafy ny tsy ho ela dia hihaona niezaka nanamboatra saina...

ka raha azo atao aleo mihitsy afoy ny asa, na fianarana,sns fa izany azo tohina na tapaka aza, fa ny fitia raha tapaka ka atohy dia misy vonany tsy mety levona sy tsy azo vonoina, ka ny fomba enti-mandresy izay fisarahana izay amiko no atao hoe sedra, fa tsy ilay fisarahana amiko io an! fa raha izaho no misafidy dia aleoko mamotika ny asako sy ny fianarako toy izay mamotika ny ho avin'ny fiainako fa ny asa misy foana ny fianarana = iainana isan’andro “ny tena fitiavana tsy matahotra ny hisedra zava-tsarotra”…

Misy tsindrona maharary ao anaty foko ao
misy jaly te hivoaka , ao anaty vatako ao
misy kiaka te hitroatra , te handa ny zava-misy
misy feo tsy te hanaiky, hoe ekeo aloha f'izao no "hisy"

rehefa iny lasa ianao

Ny tsindrona maharary, ny jaly te hivoaka
Ny kiaka te hitroatra???? ekeo ny zava-misy fa azo lavina tsara n’izao no “hisy”
Ka izay misy eo aloha no iainana izay no sedra 1, ny mbola “hisy” kosa azo lavina sedra faha-2

N.B
Fa raha ohatra kosa ve herinandro no faharetan’ny fisarahana tsy olana, fa raha hoe aman-taona sy amam-bolana maro tahaka ny anay dia mipetraka ireo voalaza etsy ambony ireo, aleo lavina nkitsirano ny zava-misy fa izay eo iaraha-miaina.

Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0332