Rehefa maloka ny andro (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy fahiny tsy voafafa, ao am-pon'ny tsirairay
Misy fery mbola ratra, manindrona indraindray
Misy hatanorana miherina,, mandindona ity taona anio
Misy ako mitamberina, miantso manao tadidio

Misy omaly te hitsangana, atsikafon'ny ambiroa
Misy tantara tarangana, mbola maniry te hifoha
Misy nofy tsy tanteraka, izay vao mahita lalana
Misy anjara tsy nekena, mibetroka te hitsivalana

Misy fitia namerovero, natambolin'ny tsiahy
Misy koa tsiambaratelo, nirongandrongatra tsy nahy
Misy noanoa tsy feno, mampanjombona mangorana
Rehefa maloka ny andro, sy milatsaka ny orana
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1091 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0775