Resa-be (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin’ny « Rajakom-bazaha » sy « Nivadika hono Rakoto » Tsy hoe avy any an-dafy ialahy
Dia tena olona “ca va”
Hidedaka miseho milay
Manaonao antsojay
Tsy hoe avy any am-pita akory
Dia tsy havan’izay ory
Mampiaka teny sy mikiaka
Manambany, manalika
Tsy hoe ialahy mitondra “euros”
Dia miebo hoe « heros »
Ka manambonimbony tena
Sy miangatra an-jerena
Tsy hoe ialahy minday “dollar”
Dia rehefa aty Gasikara
Mihevitra fa manan-kery
Ka misekoseko irery
Tsy hoe baoritra vazaha
Dia miainga tsy manahy
Ka avy dia mirafarafa
Manitsakitsaka ny hafa
Raha toa ialahy ange nahavita
Dia nilevena tany am-pita
Izao ilay hoe notapohany
Ka mihevitra azy ho lohany
Dia aza manao mampihomehy
F’efa lasa resa-be
Hoe hay ve ilay avy an-dafy
indray ilay miseho ho mafy
--------
Rohy:
Sokajy :
sitraka sy setriny - Aingam-panahy