Ry Dadabenoely (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Dadabenoely mpitondra fifaliana,
Aza ireo faly intsony re no ampifaliana,
iangaviako ianao, mba hanao zara vilana
any amin’ ireo sahirana, indray re mba mihilana

Mba zarao ho azy ireo, ireo toba-kilalao,
fa ny azy mantsy anie, tsy mahazo vaovao
Fa ny omaly ihany no mody ovaina loko,
ireo sisa kely tao no naveriny natoko

Ry Dadabenoely mpizara fiadanana,
iangaviako ianao, mba hijery ireo tsy manana
Ento re any aminy ireo sombin-tsiky nihoatra,
sy ireo hazavana sendra tafahoatra

Mba atolory azy, ilay hakevohan-jaza
Nahazo kilalao, na tsy misy ambiny aza
Dia hanombino kely, ny an’ireo efa ampoka
Dia ialao tsiny hoe , mba sendra ny tampoka

Ry Dadabenoely, mpilanja haravoana
Iangaviako ianao, hijery ireo izay noana
Mba iangaro fijery , ireo efa voky foana
Fa any amin’ireo kere, any re mitsaona

Mba atero any aminy, ireo kilao mihoatra
Ho fahafinaretan’ireo tsy afaka manoatra
Raha tsy maninona aza, dia ajanony any aminy
Ireo ambin-tsakafon’ireo manana tsy laniny

Ry Dadabenoely, indray mandeha isan-taona
Iangaviako ianao, tsy hoe ange mandavan-taona
Fa indray mandeha fotsiny, mba miangara kely
Ho an’ireo sahirana, tsy mahita ingahibenoely
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Aingam-panahy
971 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0947