Satriko akia … (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satriko akia, ity valihako ity mba lalaovindriako
Dia hangorintsina ny tadiny, hangovitra ny tohany, amin’ny tanandriako
Izay no firariako

Satriko akia, ity sodiko ity, mba tsotsofindriako
Dia hihovitra madinika, ny any anatiny any, amin’ny sefondriako
Ka hokafiriako

Satriko akia, ity fararako ity, mba siahandriako
Dia ny toho-bavany sy ny fihin-tanany, hisy fiainandriako
Ho eny an-tampom-pifaliako

Satriko dia satriko

Saingy ny antsika, kanto tsy sahala
Onja samihafa, tsy mahay mifandala
Ka aleoko amin’izao, izaho irery hilalao
Ireo fitaovam-pikaloiko, tsy hindramako anao
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
885 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0333