Serana (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fandalovanao niserana tanaty andro vitsy monja
No nanaitra indray ny foko ka ny fitiavako nanonja

Lohataona ve ny andro, sa ny volam-penomanana
No nitondra hazavana, k’ilay aizina nifarana

Ny hafanan’ny andro ve ? sa ny fandaozan’ny hatsiaka
No nampihaona nampiray, nampifanantona antsika !

Sa ianao nahatsiaro irery , ary izaho moa efa tokana
No nahatonga antsika roa hiaraka mitokatokana

Sa ianao no mahatsapa , ny fiainanao ho teritery
Ka lasa ianao nitady koa, zavatra hafa hojinery

Fanontaniana daholo izany , asa izay mba mety ho valiny
Na izay mety ho fihevitra azy , na izay filaza sy ny tariny

Fa ny fantatro dia izao, andro fohy sy vitsy monja
No nanaitra indray ny foko, ka ny fitiavako nanonja

05/07/04
--------
Rohy:
1028 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.027