SOAVA DIA (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
lay ranomaso nikoriana, moramora tan-takolakoDe mbola endrika sy sarin'ilay fitiavana tsy folako
Ilay sento lalina nanaraka, namintinana ilay resaka
Dia mbola taratra sy alok'ilay foko izay nitresaka
Ilay endri-maloka nafenina, tanaty solomaso maizina
Dia mbola sarina fitia, resy sady vao nofaizina
Ilay hovi-peo nanao veloma, sy nametraka tso-drano
Dia mbola tsipi-panohizana, mbola te hanohy ny angano
Ireny fihetsika ireny,sy ny sisa sy ny sisa
No fitiavan-tsy voambara, tamin'ireo ilay tsy hita isa
Ireny ilay fo feno redy, May nodoran'ny fitia
Tsy hanozonako anao, fa dia veloma soava dia
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana
Mpakafy:
raozigasy