Taona 15 (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niezaka aho tsy hanoratra, mba tsy handratrako fo
niezaka aho hanadino, mba tsy hankarary loha,
kanefa re tsy nety, k'aza dia tsiniana
ny fotaka tsy nandry,fa tsy hoe fanahy iniana

taona dimy ambin'ny folo,izao no nandehananao
nandaozanao ny tany, sy izao tontolo izao
nisarahantsika, nifandaozana ho doria
fa lasana ianao, izahay sisa no aty

Taona dimy ambin'ny folo, banga ts'isy anao,
nianaranay namindra, fiainana vaovao,
dia fiainana nandringa, no tsy maintsy koa nizarana
ny lalanay mitohy, ny anao no nifarana

dia manoratsoratra, tsiaro an-taratasy,
sisa hametrahana, ity fo mangasihasy
kamboty fitiavana, nilaozanao ry dada,
ka rangotra tsiahy, sisa abadabada
--------
Rohy:
1349 1
Hevitra mandeha
hery ( 20/01/2010 08:34)
Ny tsiaro tsy ota. Tsy maninona mihitsy na omena toerana handalo kely rehefa tonga ny fotoana hahatsiarovana.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0254