Te hanoratra (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Te hanoratra aho androany, fa tsy niainga ny fanahy
Te handefa teny ho anao, te hampita koa tsiahy

Te hanoratra anio, te hanoratsora-potsiny
Te hitantara arira, hameno tory ny alim-potsiny

Te hanoratra aho androany, te hanoratsora-teny
Te handrafitra amboara,toy ilay famakintsika ireny

Te hanoratra androany, te hampiady rima kely
Te hanoratsora-poana, tsy misy tanjom-belively

Te hanoratra androany, ka notendreko irony tondro
Te hanakambana ho teny, ireo tsindrin’ny fanondro

Te hanoratra aho androany, ka nofenoiko rimarima
Ity pejy fotsy ity, amin’izay ianao mba liana
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
839 0
Hevitra mandeha
Soarilala ( 18/09/2010 11:38)
Tena mahaliana loatra ny hamaky azy na dia soratsoratra fontsiny ihany aza.
Tohizo ary dia alefaso ilay hafatra hampitaina!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0306