TIAKO IANAO SATRIA (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao satria

Tiako ianao satria
tsy haiko ny nitia
raha tsy teo ianao

Tiako ianao satria
natao hiara-dia
ny lalako sy ianao

Tiako ianao satria
voafafa ireo fitia
vao noseraninao

Tiako ianao satria
ianao ilay Tiako, Tia
nandrasako hatrizao

Tiako ianao satria . . .
Tiako ianao satria . . .
Satria Tiako anao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
5398 1
Hevitra mandeha
miela ( 17/04/2007 23:46)
tonga dia nomeko isa 4 fa mendrika
karako ( 21/09/2007 19:06)
mahavariana ahy ny sendrasendra izany. Vao avy nametraka hafatra mikasika ny tononkalonao hoe "Tiako ny anabaviko" aho. Dia mahita ity iray ity indray. Nisy tononkalo nosoratako izay koa hoe : "Tiako ianao satria..." Mankasitraka e!
Soarilala ( 08/05/2010 21:03)
"Tiako fontsiny ianao , tsy asiana hoe nahoana na tovonana satria, tiako fontsiny amizao"
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 12/04/2007 18:56
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0258