Tononkalo mpanongam-panjakana hono ... (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tononkalo mpanongam-panjakana hono
Nefa aza io tsy misy zavatra ankifono
Fa izay misy ihany no zarazaraina
Dia ilay fijaliana mampinainaina

Tononkalo mpanongam-panjakana hono
Nefa ny ahy tsy misy resaka honohono
Fa izay marina ihany no abariko
Ary tsy misy akory resaka itariko

Tononkalo mpanongam-panjakana hono
Ny ahy anefa tsy mba basy ka hamono
Fa raha ny filazako azy no tsy zaka
Dia mialĂ  fa ny ahy teny fa tsy daka

Tononkalo mpanongam-panjakana hono
Nefa efa sotroina an-tavy ilay ronono
Dia mbola izaho indray no mbola diso be
Hoe mihaino resadresaka mandeha

Tononkalo mpanongam-panjakana ve ?
Rehefa tsy hamaky fotsiny dia andeha mandeha
Fa aza asiana resadresaka kafara
Fa izay misy ihany ny ahy no ambara

Tononkalo mpanongam-panjakana ngah
Rehefa tsy mahazaka fotsiny mialĂ 
Fa izany ny demokrasia nge ry zandry
Vava no miady eo fa tsy ny sandry

Mbola tononkalo ve ry zama dia tsy tanty
Mbola aiza ilay tody hamaly faty
Mividy loha nefa matahotra ny maso
Ny alahelom-bahoaka mbola ho avy fa andraso
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
867 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0254